Basikety U23 – Fiba 3 x 3, World Cup: Nandresy an’i Tonga fa resin’i Espagne ny Ankoay

Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja Wuhan Shi, Hubei Chine, ny andro faharoa hiadiana ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny taranja basikety lalaovin’olona 3 na “Fiba 3 X 3 World Cup”, sokajy U23. Izay vao nahazo fandresena ny Ankoay, vehivavy, ho an’ny sokajy “C”. Nandresy an’i Tonga tamin’ny isa 21 no ho 13. Nisongadina ny fahaiza-manaon’ireo mpilalao teny ambony kianja. Haingana sy mailaka raha mitaha tamin’ireo mpifanandrina taminy ry Koloina, nahata­fiditra baolina be indrindra izay nitotaly 9. Teo koa i Taratra nahafaty baolina 6 raha 3 avy kosa ny an’i Elinah sy i Justine.
Tsy nitohy kosa anefa io fahombiazana io teo amin’ny lalao faharoa. Lavon’i Espa­gne, tamin’ny isa 17 no ho 14, ny Ankoay. Niady hatramin’ny farany ny fihaonan’ny roa tonta. Nifandimbiasana ny nitarika ny isa teny amin’ny solaitrabe, hatreo amin’ny 10 no ho 10. Teo no nanomboka nitsoaka tsikelikely ny Espa­niola, 12 no ho 10, avy eo 13 no ho 10. Nitarika hatrany amin’ny 17 no ho 12 vao afaka nampihena ny isa ho 17 no ho 14 ny Ankoay tany amin’ny fiafaran’ny fotoana. Na izany aza, nisongadina hatrany i Mianjasoa tamin’ny fampidirana baolina izay nahatratra 7, narahin’i Taratra, namono baolina 4. Tafita hiatrika ny ampahefa-dalana ny Espa­niola, izay nahazo fandresena 3 raha hiady laharana kosa ny Ankoay.

Tompondaka

Partager sur: