Taorian’ny fahatrarana bolongam-bolamena tetsy amin’ ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alahady 13 septambra lasa teo, olona enina voampanga tamin’izany no naiditra vonjimaika eny amin’
ny fonjaben’Antanimora sy Avaradrano. Valin’ny fitsarana rehefa avy nohenoina sy nampiakarina fampanoavana teo anoloan’ny mpitsara mpanao famotorana tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) 67 Ha, afakomaly, izany. Mpiasan’ny fadintseranana eny Ivato avokoa ny dimy amin’ireo voarohirohy, izay samy nalefa eny Antanimora. Ilay vehivavy tratra nitondra ny entana sarona kosa ny olona fahenina. Ity farany izay nalefa eny amin’ny fonjan’Avaradrano.
Nanamafy ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Pac, Bendrainy Velo, fa “misy fepetra manokana hiiarovana ny vavolombelona iray nahazoana vaovao mahakasika ity raharaha ity”. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana mba hanatrana ireo olona anisan’ny tena voarohirohy sy hahafantarina ny marina tamin’izao fikasana hanondrana harena sarobidy avy eto Madagasikara izao. Marihina fa bolongam-bolamena milanja 5,678 kg ireo sarona teny Ivato ireo, izay saika haondrana any Addis-Abeba. Efa naterina any amin’ny Banky foiben’i Madagasikara izany, izay arahin’ny Agence de recouvrement des avoirs illicites (Arai) maso.
Mino




