Fotodrafitrasa : Nifanome tanana ny faritra sy ny Spat Toamasina

Fanamby napetraka ny hanafoana ny lalan-dratsy sy ny lavadavaka ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fidirana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy raha avy ao Toamasina mihazo ny lalam-pirenena faha-5. Etsy ankilany, ho vita tsy ho ela ny fanitarana ny seranan-tsambo ka tsy ho mena-mitaha amin’ny seranan-tsambo iraisam-pirenena any ivelany. Hifan­garika amin’izany fotodrafitrasa vaovao izany ny haratsian’ny lalana ao an-tampon-tanàna raha tsy amboarina.
Manoloana ireo, mifanome tanana ny orinasa Spat, mitantana ny seranan-tsambo, tarihin’ny tale jeneraly (DG), Randriambahoaka Heritiana Anicet, andaniny, sy ny Faritra Atsinanana, eo ambany fiahian’ny lehiben’ny Faritra, Raza­fiarison Jean Jugus, ankilany. Mirefy 300 m ny lalan-dratsy hamboarina eny Ambala­manasy, hatao « béton ». Horaisin’ny orinasa Spat an-tanana ny lalana mirefy 100 m, ka izy ireo no hiantoka ny akora sy fitaovana rehetra ilaina amin’izany, miampy lelavola 100 tapitrisa Ariary.
Hiantohan’ny faritra Atsi­na­nana kosa ny 200 m ambiny amin’ny alalan’ny tetibolan’ny faritra madiodio. Nanom­boka ny 14 septambra teo ny asa. Nanao antso avo amin’ireo orinasa hafa ny tale jeneralin’ny Spat mba hifanome-tanana toy izao ataon’izy ireo izao. Satria, tombontsoa lehibe ho an’ny vahoaka sady ho fanarenana ny tanànan’i Toa­masina, taorian’ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani farany teo, izao ezaka izao.

Sajo sy Njaka A.

Partager sur: