« Olympiades d’Echecs » : Nandresy an’i Curacao ny sokajy vehivavy

Nitohy omaly, tany Samarcande Ouzbekistan, ny andiany faha-46 amin’ny «Olympiades», taranja lalaon-tsaina Echec. Taorian’ny fandresen’i Serbia, 4 no ho 0, an’i Madagasikara nandritra ny «Round 1», natao ny talata lasa teo, niharina tamin’ny fahavoazany ny Malagasy. Lavon’izy ireo tamin’ny fandresena 4 no ho 0 ny ekipam-pirenen’i Curacao ho an’ny «Round 2». Raha hiverenena ny vokatra azo, resin-dRavelomanana Sabine i Costa Fabianny. Teo amin’ny lalao faharoa indray, niondrika teo anatrehan’i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra i Pieter Liana ary i Rico Zayra tsy tafavoaka nanoloana an-dRamorasata Diary. Ny fihaonana fahefatra, nahitana ny fandresen-dRabenandrasana Norotiana Fara­rindra nanoloana’i Jubinata Ginger.
Ny ekipa hifangaroan’ny lehilahy sy vehivavy, “mixte”, indray, nandresy an’i Laos, 4 no ho 0 ihany koa nandritra ny fanatontosana ny “Round 1”. Heritiana nanilika an’i Chi Yang ary i Dylan nandresy an’i Souminta. Andriamasoandro Miora indray nampiondrika an’i Saengtavanh ary Ny Andolalaina Fitia Noah nandresy an’i Bounthengnoy.

Tompondaka

Partager sur: