Tontolo iainana: Mpianala 50 tafiditra mpiasa raikitra

Natolotry ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd) azy 50 mianadahy, ny 16 septambra teo, ny taratasy mirakitra ny fifanarahana arakasa ho azy ireo. Avy amin’ny andiany voalohany, « Santatra », nivoaka ny novambra 2020 sy ny andiany faharoa « Miray », nivoaka ny desambra 2022 izy ireo. Nitarika ny fotoana, nanolotra ireo fifanarahana arakasa, ny minisitra Andriatsihala Luck Nolave Aristide. Notsipihiny manokana fa « manan-danja amin’ny fitantanana ny harena voajanahary ny fandraisana ny mpianala eto anivon’ny minisitera. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary izy ireo. Ny fanaraha-maso eny ifotony, ny fisorohana sy ny ady amin’ny doro ala ary ny fampiharana ny lalàna mifehy ny ala ».
Hamafisina amin’ny alalan’ity fandraisana mpiasa ity ny fahafahan’ny minisitera manana mpiasa mahafehy ny fahaiza-manao manokana eny ifotony. Hanakaiky kokoa ny sehatry ny asa sady hanamafy ny fiarovana ny tontolo iainana manerana ny faritra.

Njaka A.

Partager sur: