TSELATRA

Notanana vonjimaika any am-ponja, eny Tsiafahy, omaly, miandry ny fotoam-pitsarana azy ilay miaramila namono nahafaty ny rafozany teny Ankatso. Raha toa ka eken’ny fitsarana ny vesatra hiampangana azy amin’ny fotoam-pitsarana, sazy mihatra mandra-pahafaty no mety ho azon’io lehilahy nahavanon-doza io, araka ny fanazavana avy amin’ny minisitry ny Fitsarana.

Rongony maitso 50 fototra saron’ny zandary nandritra ny hetsika fampandriantany tao Antsirabe, afakomaly. Nomen’ny mpitandro filaminana baiko hanongotra avy hatrany ireo karazan-javamahadomelina ireo ny tompon’ny voly. Marihina fa mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny fidorohan’ny tanora rongony.

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, afakomaly, ilay gadra nandositra tao amin’ny fonja Amba­latavoahangy. Olona telo tafaporitsaka tao amin’io fonja io, herinandro lasa. Nanara-dia ny mpiandry fonja ka tratra ny iray ary maty voatifitra ny iray hafa. Tafaporitsaka ilay fahatelo ary izao tratra izao.

Lehilahy iray nahatrarana karazam-biby arovana sy ahina ho lany tamingana, teny Alasora, afakomaly. Nokasain’io lehilahy io hamidy ireo karazana tanalahy izay hita teny aminy ireo. Natao fanadihadiana izy ary hatolotra tsy ho ela eny anivon’ny fampanoavana.

Partager sur: