VAOVAO TAMBATRA

Mandroso ny asa fanamboarana ny ampahan-dalana natao « béton » ao Sanfil Toliara. Amin’ny lalam-pirenena fahafito ity lalana ity, mirefy 800 m. Ny 50% ny asa no efa vita, ankehitriny, ka efa misokatra amin’ny ampahany ny fifamoivoizana, rehefa nahafeno ny fe-potoana ilaina hahamafy ny simenitra amin’ny « béton ». Tafiditra ao anatin’ny asa atao ny fanaovana tatatra ho lakandrano amin’ny sisin-dalana.

Niato ny famatsian-jiro teny Ivato sy ny manodidina, omaly, nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro hatramin’ny 2 tolakandro. Antony, tsy maintsy notapahina ny hazo nikasoka tamin’ny tariby mitondra herinaratra eny amin’ny toby miaramila Bani. Tapaka ny jiro, noho izany, teny Ivato Aéroport, Mamory, Mandrosoa, Andranotapahina, Anjanamasina, …

Nahazo kojakoja sy fitafy fiarovana (EPI) ny mpiasan’ny Jirama eny amin’ny toby TAC Am­bo­hi­manambola. Nanolotra izany ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Saro-pady tokoa ny asan’ireo mpiasan’ny Jirama ka tsy azo andeferana ny lafiny fiarovana. Anisan’ny nomena azy ireo ny satroka aroloha, ny fanamiana, ny « gilet » misy famantarana manokana, sns.

Partager sur: