Vatana mangatsiaka an’ny mpivady no hany sisa hitan’ny fianakaviany tao Tanimbaribe Andranomamy, fokontany Androrona, distrikan’i Vohemar, omaly. Nisy fifamaliana sy disadisa teo amin’ilay rangahy sy ny vadiny ny harivan’ny alarobia 16 septambra lasa teo, araka ny loharanom-baovao. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny mpiara-monina. Noheverin’izy ireo fa efa milamina io olana teo amin’ireo mpivady ireo taorian’izay. Hita faty nihoson-dra tao an-trano ilay ramatoa ary efa maty koa ilay lehilahy vadiny, ny marain’ny alakamisy 17 septambra. Tsy nisy naharaka ny zava-nisy tao amin’ny trano natorian’izy mivady ny mpiara-monina. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana sy ny lehiben’ny fokontany miasa ao an-toerana. Voalaza ho novonoin-drangahy ity ramatoa vadiny. Namono tena izy taorian’izay. Andrasana ny voka-panadihadiana izay sahanin’ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.




