Anisan’ny antony hanadihadian’ny Bianco ireo mpiasa sasany ao amin’ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily (ACM) ny lafiny fampidirana mpiasa. Raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fitaterana (MTM), Andrianavalona Herizo, tao amin’ny televiziona tsy miankina iray, manodidina ny 150 ny isan’ny mpiasa tao amin’ny ACM hatramin’izay. Nampiditra mpiasa vaovao efa maherin’ny 200 indray anefa ny mpitantana teo aloha, ka nisy fiantraikany lehibe tamin’ny toe-bolan’ny orinasa izany. Manampy izay, misy koa ny fiahiahiana fanodinkodinam-bola, araka ireny tatitry ny Rafi-pitsarana misahana ny kaontimbolam-panjakana ireny. Koa, tsy maintsy atao ny fanadihadiana lalina, iarahan’ny minisitera, ny Bianco, ny Cour des Comptes, sy izay rafitra voakasika rehetra.
Tsiahivina fa nanohitra ity fanapahan-kevitry ny mpitantana ny ACM, hanao fanadihadiana, ity ny mpiasa sasany sy ny sendika. Ao anatin’izany ny mahakasika ny diplaoma nampiasaina tamin’ny fampidirana azy ireo tao amin’ny orinasa.
Njaka A.




