Ady amin’ny valala: Ampiasaina ny niomerika

Niofana nandritra ny 3 andro ireo lehiben’ny tobim-paritra famonoana valala ao amin’ny Ivontoerana Famonoana valala eto Madagasikara (IFVM). Notanterahina tany Mitsinjo Betanimena, Toliara, izany. Tanjona ny hanamafisana sy hampitomboana ny traikefan’izy ireo sy hahazoana fahalalana bebe kokoa, manampy ny efa ananany. Hampita sy hizara ny fahalalana norantoviny amin’ireo ekipa teknika eny ifotony indray izy ireo avy eo.

Niompana tamin’ny lohahevitra lehibe telo ny fiofanana. Voalohany, ny fitiliana sy ny fanaraha-maso ny valala. Faharoa, ny fanangonana sy ny fampitana ny antontam-baovao eny ifotony. Ary fahatelo, ny fampiasana ny rindranasa niomerika, novolavolain’ny ekipan’ny IFVM. Resy lahatra ny mpampiofana sy ireo niofana fa tena ilaina hatrany ny fanofanana mifanaraka amin’ny fivoaran’ny vanim-potoana. Toraka izany koa, ny fanovana niomerika ny antontam-baovao mba hampahomby kokoa ny ady amin’ny valala.

Nanohana an’ity fiofanana ity ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny ara-tsakafo (FAO), vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola.

Njaka A.

Partager sur: