FANTINA sy FINTINA

Any Taolagnaro, hatry ny omaly ny filoha teo aloha, Ravalomanana sy ny zanany, Ravalomanana Tojo ary ny sekretera jeneralin’ny Tim, Randriama­sinoro Rina. Nanentana ny vahoaka hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ny diany any an-toerana, ankoatra ny fihaonana amin’ireo mpikatroka eo anivon’ny antoko.

Hatao manetriketrika eny Iavoloha ny fanolorana ny tatitra ofisialy ny fanadihadiana parlemantera nataon’ireo depiote, araka ny nambaran’ny depiote, Rakotoniaina Pety, omaly. Nambarany fa anisan’ny hanaovana tatitra amin’izany ny momba ny orinasa Jirama. Tsy mbola voafaritra kosa anefa ny fotoana hanaovana izany.

Tsy manaiky ny hivoahan-dRavatomanga Mamy ny fonja i Madagasikara, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Ernaivo Fanirisoa. Nanteriny fa efa lasa any Maorisy avokoa ireo vesatra iampangana azy avy amin’ny fitsarana malagasy. « Maro ireo antony anakanana ny fivoahany, toy ny mety handosirany hiala an’i Maorisy », hoy izy.

Filoha mitarika ny VFM any Sambava ny depiote, Tokely Justin. Nihaona tamin’ny vahoaka any an-toerana ny tenany, afakomaly, ary nampahafantatra izany. Nambarany fa vonona hitarika amin’ny fampandrosoana izy miaraka amin’ny Vovonana fihavaozan’i Madagasikara (VFM). Tsiahivina fa Irmar ny tenany ary efa filohan’ny Antenimiera.

Partager sur: