VAOVAO TAMBATRA

Miisa 30 ny fiarabe mpitatitra manokana mankeny amin’ny toby Amoronakona. Mitatitra ny mpandeha any amin’ny tanàna manodidina an’Antananarivo, toy ny Itaosy, Ambohidratrimo, Ivato, … ireo fiara ireo, amin’ny saran-dalana tokana, 2 000 Ar. Saingy, mandritra ny iray volana ihany izy ireo no miasa.

Hametrahana toerana fakana aina eny amin’ny lalam-pirenena sasany. Toraka izany koa ny eny amin’ireo Toby fiantsonana any amin’ny renivohi-paritra. Efa vita ny fanadihadiana, handaminana ny lafiny teknika.

Hampiasaina hanapariahana ny torohay ara-pamokarana ny E-Pariaka. Sehatra niomerika hanakaikezana kokoa ny tantsaha, hampandrosoana ny fambolena. Hampifandray ireo mpisehatra sy hanamorana ny fizarana fahalalana.

Partager sur: