Amoronankona: Hentitra ny fandaminana

Nandray fepetra hentitra ny fitondram-panjakana, handaminana ny toby fiantsonana Amoronankona. Tanjona, ny hanamaivanana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny an-toerana. Nisy ny fivoriana niarahan’ny minisiteran’ny Fitaterana, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena ary ny kaominina Ambohimangakely sy Alasora, tamin’ny zoma.
Nifanaraka ny manampahefana fa hodiovana sy harindra ny fomba hanajana ny sisin-dalana. Voakasik’izany indrindra ny toerana fivarotana manelingelina ny fivezivezena. Halamin’ny polisy ny fifamoivoizana. Hamboarina ny lalana mampitohana ny fifamoivoizana. Tsy maintsy mampiasa karatra famantarana « badge électronique » ny mpiasan’ny tobim-piantsonana.
Vahaolana fanampiny, ny hampiasana ny lalana RN58b (Ambohimanambola-Ankadindratombo). Halamina ny toerana fiantsonan’ny taxi-be. Hapetraka ny toerana fiampitan’ny mpandeha an-tongotra. Hanokafana lalana mihodina (rond point) eny Ankadimbahoaka. Nitombo ho 205 ny fiara niasa teny Amoronankona ny 17 septambra. 157 izany tamin’ny 16 septambra, fotoana nikatonan’ny Fasan’ny Karana tanteraka.

Njaka A.

Partager sur: