“Tahirin-kevitra momba ny adisisika ho an’ireo vehivavy sy tovovavy mpitarika”. Io ny lohatenin’ny boky mirakitra ny adisisika ho an’ny fanavaozana ny lalàmpanorenana sy ny rafi-panjakana ary ny ara-pifidianana. Natolotra tamin’ny fomba ofisialy ny vadin’ny filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Elisa, ary ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Rakotoniaina Cathia Voahanginirina, teny Ivandry, ny faran’ny herinandro teo, izany. Tohanan’ny fandaharanasan’ny Firenena Mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) ny hetsika, amin’ny alalan’ny tetikasa momba ny fifidianana (RPEDEM). Mifarimbona amin’izany ny governemanta japoney sy ireo mpiara-miombon’antoka hafa. Novolavolain’ireo vehivavy sy tovovavy mpitarika ny tahin-kevitra, izay nisongadina tamin’ny fikaonandoha nasionalin’ny vehivavy, jona, 2026.
Tanjona ny hampitomboana ny fandraisan’ny vehivavy sy ny tanora anjara amin’ny fanapahan-kevitra. Hihoatra ny fifampidinihana fotsiny izany, fa hiroso amin’ny fandraisana anjara tena izy sy manan-danja. Telo lehibe no ifotoran’ny tahirin-kevitra. Voalohany, fanavaozana ny lalàmpanorenana hiaro sy hanome antoka ny fitovian-jo eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy. Manaraka, fanavaozana ny rafi-pifidianana hanamora ny fandraisana anjaran’ny vehivavy : fampihenana ny sakana ara-bola, ohatra, indrindra ny antoka amin’ny firotsahan-kofidina. Farany, ny fanavaozana ny andrimpanjakana ahitana taratra ny fitovian’ny isan’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fanendrena amin’ireo andraikitra ambony eo anivon’ny Fanjakana. Eo koa ny fametrahana tetibola ho amin’ny miralenta.
R. Nd.




