Faritra Betsiboka : Misitraka herinaratra avy amin’ny masoandro ny vahoaka

Mponina miisa 2 740 no misitraka angovo avy amin’ny masoandro any amin’ny kaominina Beanana sy Antsiafabositra. Ahitana tokatrano tsotra, mpandraharaha ary tranom-panjakana.

Ahitana masoandro mandavantaona sady mafana any amin’ny faritra Betsiboka, toy ny distrika Maevatanana. Notokanana ny zoma 19 septambra ny toby famokarana herinaratra avy amin’ny masoandro. Nape­traka ao amin’ny kaominina Beanana sy Antsiafabositra izany. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Rabearimanga Rado­nirina Lucas. Nanotrona azy tamin’izany ny solontena maharitra lefitry ny Fandaha­ranasan’ny Firenena Mikam­bana ho an’ny Fampandro­soana na ny Pnud, Jean François Dubuisson.

Mitotaly 2 740 ny olona misitraka ny famatsian-jiro. Mamokatra herinaratra 90 KW ny toby any Atsiafabositra. Nametrahana bateria afaka mitahiry herinaratra 229, 37 KWh, izany hoe, tahiry mandritra ny 3 andro. Mitsinjara amin’ny tokantrano miisa 332, mpisehatra ara-toekarena mahatratra 42, tranom-panjakana (EPP, CEG, CSB, birao kaominina, …) miisa 17, jiro an-dalambe 56, olona mpisitraka 1 660 ny angovo vokariny any an-toerana.
Mamokatra 50 KW ny any Beanana. Afaka mitahiry 91,92 KWh, ampy mandritra ny 2 andro izany. Miisa 216 ny tokantrano misitraka, mpisehatra ara-toekarena enina, tranom-panjakana 14, jiro an-dalambe 28 ary mponina misitraka 1 080.

Notsindrian’ny minisitry ny Angovo, fa tsy mijanona ho fotodrafitrasa fotsiny no natao. Nohamafisiny fa tena fanoitran’ny fampandrosoana. “Hitom­bo ny fiharian’ny mponina, hiroborobo ny fanabeazana sy ny fitsaboana ary ny ara-tsosialy samihafa. Afaka mamokatra ny rehetra satria azo antoka ny fandriampahalemana”, hoy izy tamin’ny lahateny nataony.

Fiaraha-miasa 3P

Avy amin’ny Pnud, ny Onudi ary ny UNCDF, samy sampandraharaha ao anatin’ny ONU no nahatanterahana ireo fotodrafitrasa ireo. Ao anatin’ny paikady fampidiran-jiro eny ambanivohitra amin’ny alalan’ny tetikasa Famatsiam­bola iraisana ho an’ny angovo maharitra (Fier). Nambaran’ny solontenan’ny Pnud, fa tsapa tokoa izao ny fahombiazan’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana, ny tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena (3P). Nametraka ny fotodrafitrasa tany Beanana sy Antsiafabositra ny orinasa Majinco.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: