Nohamafisin’ny mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Fanavaozana, Ralaiseheno Guy Maxime, fa anisan’ny manana fahadisoana amin’ny zava-miseho ankehitriny ny depiote. Tokony hiaiky heloka izy ireo, hoy izy.
Naneho ny heviny manolona ny toe-draharaham-pirenena ny mpanolotsain’ny filohan’ny fanavaozana sady mpitarika ny vondrona Komity ho an’ny fanorenana ifotony (KFIM), Ralaiseheno Guy Maxime. Tsy nitsitsy fitenena ny tenany momba ireo parlemantera. « Andrasana ny faneken’ireo parlemanta eo anatrehan’ny vahoaka fa nandray anjara tamin’ny fahadisoana teto amin’ny firenena », hoy izy. Nambarany fa nandray anjara tamin’ny fahapotehana teto izy ireo. Mbola nohitsiny fa mpomba ny fitondrana teo aloha ireo maro anisa eo anivon’ny Antenimierampirenena. Notsiahiviny tamin’izany fa 100% ny nametrahana ny filohan’io Andrimpanjakana io sy ny birao maharitra ary koa ny filoham-baomiera. Nivadika ho Irmar hatramin’ireo tsy miankina sy ny mahaleo tena koa aza. « Tsy afa-miala ianareo fa namotika sy namotika izao firenena izao. Niofo ianareo amin’izao faherintaonan’ny Fanavaozana izao », hoy izy. Notsindriny fa navelan’ireo solombavambahoaka ho potika tanteraka ny Jirama, ny fanjavonan’ny volabe, araka ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty. Ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalàmpanorenana, nandritra ny fotoana lavabe. « Ninia nikimpy sy nanampina maso ny ankamaroanareo tamin’izany », hoy ihany izy.
Nohamafisiny fa efa miroso ho any amin’ny fanavaozana sy ny fanorenana ny firenena isika izao ary samy tompony. Hotsarain’ny vahoaka ny mpanao politika, aorian’izao, araka ny nambarany.
Synèse R.




