Tanambao V: Dekonina namoy aina teo am-pamakiana teny

Nitolefika tampoka teo am-pamakiana tenin’ny soratra masina, tao amin’ny Fiangonana FJKM Betela Tanambao-V, omaly maraina tokony ho tamin’ny 06 ora sy sasany, ny lehilahy iray 45 taona. Nezahina novonjena izy saingy tsy tana ny ainy, taorian’izay. Teo am-pamakiana ny vakiteny fahatelo, nalaina tao amin’ny TesalonianaIII, 3,1-12, fotoam-pivavahana voalohany no niseho ny tranga. Efa teo am-pamaranana io andinin-tsoratra masina izay manao hoe : ” Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” ny tenany no nitambotsitra teny ambony alitara ka nitarika tamin’ny fahafatesany izao.
Marihina fa efa somary tsy dia salama tsara ity lehilahy ity fa nangataka ny hamaky teny ihany, raha ny angom-baovao voaray hatrany. Andrasana ao amin’ny Akany Betela Tanambao-V ny razana miandry ny fanapahan-kevitry ny fianakaviana. Dekonina ao amin’ny fiangonana sady mpikambana ao amin’ny Vokovoko Manga ity lehilahy maty tampoka ity. Mirary fihononana feno ho an’ny fianakaviana ny gazety Taratra.

Sajo

Partager sur: