Lehilahy iray tokony ho 45 taona, hita faty teny amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina ambanivohitra Ambohidrapeto, afakomaly, tokony ho tamin’ny 8 ora maraina tany ho any. Hita nianjera tamin’ny arabe, teo amin’ny sisin-dalana izy. Nahitana ratra sy kiaka mafy teo amin’ny lohany, nandritra ny fahitana ny razana teny an-toerana. Tsy nahitana ra teo amin’ny manodidina ny toerana nahitana ny razana. Tombanana ho nisy namono tany ho any ity olona hita faty ity ary heverina ho natsipy teny Itaosy, toerana nahitana ny razana, raha ny fanazavana voaray. Mbola teny aminy ny akanjo nanaovany, saingy tsy nanao kiraro intsony izy. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena miasa eny an-toerana, vantany vao naheno ny vaovao. Tonga naka ny razana sy nanatitra izany, teny amin’ ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha ny avy amin’ny BMH.
Raha ny fanazavana voaray, monina eny Mahamasina io lehilahy hita faty io. Tsy fantatra mazava ny anton’ny fahafatesany sy ny olona tompon’antoka tamin’izao vono olona izao. Ao anaty fanadihadiana tanteraka hahafantarana ny marina, mahakasika izany, ny zandarimariam-pirenena eny Itaosy, izay miandraikitra ny raharaha amin’izao fotoana izao. Mbola eny amin’ny tranom-patin’ny HJRA Ampefiloha kosa ny razana hatramin’ny omaly hariva. Tsy mbola nahenoana fanazavana betsaka mahakasika ny zava-nitranga ny fianakavian’ny maty.
Mino




