Nampitandrina noho ny hamafin’ny rivotra any amin’ny morontsirak’Androy sy Anosy ny mpamantatra ny toetry ny andro. Tombanana hahatratra 55 km/ora ny hamafin’ny rivotra.
Atahorana, noho izany, ny fahasarotan’ny fifamoivoizana sy ny faharendrehana an-dranomasina ary ny fikorontanan’ny asa fihariana andavanandro.
Nampahafantatra ny CUA fa isaky ny alatsinainy hatramin’ny zoma, manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 5 ora hariva, ny fandoavam-bola amin’ireo fiantsonan’ny fiara eto Antananarivo. Manomboka amin’ny 7 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro kosa izany ho an’ny sabotsy. Ankoatra izany, maimaimpoana ny parking.
Fiaraha-miasan’ny Croix Rouge malagasy ho fiaraha-mientana ho an’ny fanarenana sy fahafahana miatrika loza ao Toamasina ny tetikasa Ravina. Fanarenana ireo vondrom-piarahamonina marefo vokatry ny loza voajanahary izy ity.





