New York, Etazonia : Maro sosona ny fihaonana nataon’ ny filohan’ny Fanavaozana

Maromaro ireo tomponandraikitra ambony sy mpiara-miombon’antoka nihaona tamin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, amin’izao diany any New York izao. Eo koa ny fanatrehany ny fivorian’ny Firenena mikambana (ONU).

Nafana ny fandraisan’ny Sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana (ONU), i António Guterres, ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Mi­chaël, talohan’ny nanombohan’ny fivoriambe faha-81 an’ny ONU, tany New York, Eta­zonia, afakomaly. Nohara­raotin’ny filoha tokoa ny diany, araka ny nambarany taty am-piaingana. Fihaonana efatra sosona no nataony tany an-toerana. Teo ny tamin’ny filohan’ny Tahirimbola ho amin’ny fampandrosoana ny fambolena (Fida), Dr Alvaro Lario, tao amin’ny masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny ONU. Nifantohan’ny dinika ny paikady hampivelarana hatrany ny sehatry ny fambolena sy izay mety ho famatsiam-bola mifandraika amin’izany.
Nihaona taminy koa ny Mananging Director, CEO du Sterling Merchant Finance LTD, i Roger B. Jantio. Ny amin’ny haranitan-tsaina artifisialy (IA) sy ny paika handrindrana ny famatsiam-bola ho an’ny fampandrosoana ny firenena hoentin’ny diaspora malagasy no nifampidinihina.
Fampivelarana ny tanora
Hevi-dehibe ao anatin’izany ny vinan’ny filoha hampivelarana ny tanora sy ny haitao ara-kajy mirindra sy ny fampandraisana anjara ny diaspora amin’ny fampandrosoana. Notohiziny tamin’ny fihaonana tamin’ny mpitantana ny Sam­pandraharahan’ny ONU amin’ny fampandrosoana (Pnud), i Alexander De Croo, tao amin’ny efitrano fandraisana olona eo anivon’ny ONU izany. Nifa­nakalozana ny fanamafisana sy ny fampivelarana hatrany ny fiaraha-miasa marolafin’i Mada­gasikara sy ny Pnud. Eo koa ny fanohanana an’i Madaga­sikara amin’ny fiatrehana ny fifidianana amin’ny taona 2027. Namaranany azy ny nandraisany ny mpanolotsaina manokan’ny filoha amerikanina misahana ny fifandraisana amin’i Afrika, i Massad Boulos, niresahina ny amin’ny hanampian’i Etazonia an’i Madagasikara amin’ny sehatra maro.

R. Nd.

Partager sur: