Sakana amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Manakana ny famokaran’ny olona iray izany satria lany anaty fiara ny fotoana hahafahany mamokatra na koa mitrandraka na mandranto fahalalana. Voatery mampitombo ny tetibola entiny mivezivezy ihany koa izy ireo raha toa ka mikasa hanenjika fotoana sy hikatsaka tombontsoa hampivoarany ny fiainany.
Soa fanararaotra ho an’ny Kaontinanta afrikanina ny Zlecaf. Manokatra lalana ho an’ny tsenan’ny fanondranana izy io, manamafy ny fifaninanana ary mampivondrona mpanjifa an’arivony. Tombony ho an’ny Malagasy mpandraharaha ny Zlecaf noho izy mampiditra azy ireo ao anatin’ny rojom-pamokarana sy rojom-pihariana isam-paritra sy manerana ny Kaontinanta.
Vonona hanohana ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola sy ny famoronana asa maharitra ny fanjakana. Tanjona ny hametraka fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola, hitondrana vokatra mivaingana ho an’ny vahoaka. Nivoitra izany nandritra ny dinika nifanaovan’ny governemanta sy ireo mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola (PTF), omaly. Vaindohan-draharaha ny hanafainganana ny fampiasam-bola sy ny fanatanterahana ireo tetikasa.




