Fivmpama : Nanolotra soso- kevitra fito

Fampiroboroboana ny mangarahara, tanjona apetraky Fi­vondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (Fivmpama) amin’ireo soso-kevitra fito entina hisorohana ny fifanoheran’ny tombon­tsoa sy hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana. Nisy ny atrikasa nokarakarain’ny Komity ho fiarovana ny fahitsiana (CSI), izay nandraisan’ny filohan’ny Fivmpama, Rabetsivoh Claudia, fitenenana. Anisan’ireo sosokevitra naroso ny fametrahana sehatra niomerika mangarahara momba ny tsenam-panjakana, ny fananganana rejisitra ho an’ny fitoriana sy fitarainana, ary ny fanamafisana ny fampiharana ny fanambarana mom­ba ny fananana sy ny tombontsoa. Notsindrian’ny Fivmpama ihany koa ny tokony hisian’ny fitsipika mazava amin’ny fifindran’ny mpiasa eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana, ny fiarovana bebe kokoa ireo mpampandre vaovao momba ny tsy fanarahan-dalàna, ary ny hametrahana rafitra handraisana ny fitarainan’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME). Tafiditra ao anatin’ny sosokevitra ihany koa ny famolavolana sata iraisan’ny sehatra tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana momba ny etika. Araka ny fanazavan’ny Fivmpama, mety hiteraka fifaninanana tsy mitovy ny tsy fisian’ny mangarahara, ka mety hisy fiantraikany amin’ny PME, ny fampiasam-bola ary ny famoronana asa. Ankilany, manamafy ny fanoloran-tenany hanohana tontolon’ny fandraharahana mangarahara ny Fivmpama.

Henintsoa

Partager sur: