Letisia: Avy eto amintsika ny 35% ny vokatra aondrana

Lohalaharana maneran-tany amin’ny fanondranana letisia i Madagasikara. Manodidina ny ampahatelon’ny letisia amidy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena no avy eto amin’ny Nosy.

Nisokatra tao Toama­sina, ny 23 septambra, ny Dinika nasionaly momba ny letisia, nokarakarain’ny Vondron’ireo mpanondrana letisia (GEL), niaraka tamin’ny minisiteran’ny Varo­tra sy ny Fanjifana. Nandray anjara tamin’izany ireo mpamboly, mpanodina, mpanondrana ary ireo rafitra samihafa voa­kasiky izany. Na eo aza ny toerana stratejika misy an’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, mbola maro ireo fanamby sedrain’ny seha-pihariana letisia. Nivoitra tao anatin’ny dinika ny tokony hatao hanatsarana ny famokarana sy ny kalitao ary ny ha­namafisana ny lalam-barotra.
Nanamafy ny minisitra, Andriamadison Haingotiana, tamin’ny lahateniny fa ilaina ny fanavaozana sy hametrahana fototra mazava hiarovana sy hampiroboroboana ny seha-pihariana. “Tsy vokatra fotsiny ny letisia fa loharanom-bola ho an’ny tantsaha sy ho an’ny kitapom-bolam-panjakana sady sehatra iray mampivelatra ny fandraharahana”, hoy hatrany ny minisitra.

Hevitra tapaka
Hodinihina amin’ny asam-baomiera ireo tolo-kevitra mivoaka amin’ny dinika, ary halefa any amin’ny vaomiera mpanara-maso izany, mialoha ny hanolorana azy eo anivon’ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra. Ho an’ny Gel, mifototra amin’ny mangarahara hatrany ny fomba fiasa. Nohamafisin’ny filohan’ny Gel, Ratsiraka Roland, fa “ilaina ny manatsara ny fomba fitantanana, indrindra eo amin’ny resaka fizarana quota, mba hisian’ny fifampitokisana eo amin’ireo mpisehatra izay hifanaovany sonia”.

Henintsoa

Partager sur: