Madagascar Airlines : Hanao sidina vaovao hampitohy ny Nosy Boraha sy Saint-Denis

Hisy sidina vaovao hampitohy ny Nosy Boraha (Sainte-Marie) sy Saint-Denis, any La Réunion, ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Sidina hanomboka ny 3 Oktobra, izay hampifandray mivantana voalohany ireo nosy roa ao amin’ny ranomasina Indianina.

Hiainga eto Antananarivo ny sidina voalohany ary handalo ao amin’ny Nosy Boraha, alohan’ny hisidina mankany Saint-Denis. Hanaraka izay lalana izay ihany koa ny sidina miverina, miainga ao Saint-Denis, ma­makivaky an’i Sainte-Marie, alohan’ny hiverenany eto Antananarivo.
Afaka mifandray mivantana, araka izany, i Madaga­sikara sy La Réunion ary tsy misy fivezivezena fanampiny. Hahazo fahafahana hankany amin’ilay Nosy rahavavy ny mponina atsy amin’ny Nosy Boraha raha nananosarotra ny fifandraisana teo aloha.
Hisokatra tsy ho ela ny famandrihan-toerana. Hisy fihenam-bidy manokana ny tapakila amin’ny fanombohan’ity sidina vaovao ity. Natao izany mba hisarihana ireo mpandeha. Mety hanokatra lalana ho an’ny fifandraisana mivantana hafa eo amin’ireo Nosy eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana ihany koa ity sidina vaovaon’ny Madagascar Airlines ity satria mbola miankina be loatra amin’ireo “hub” iraisam-pirenena lehibe hatramin’izao ireo Nosy ireo.

Mampiroborobo ny toekarena

Toerana mahasarika mpizahatany i Sainte-Marie, noho ireo torapasika sy ny vakoka ara-tantara ao aminy. Ha­nampy amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny toekarena eto an-toerana ny sidina vaovao ataon’ity kaompania malagasy ity. Hatra­min’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola nivoaka ny saran’ny tapakila sy ny fandaharam-potoan’ireo sidina. Mian­tso ny mpandeha rehetra liana amin’izany mba hanaraka tsy tapaka ny pejy sy ny tranokalan’ny Madagascar Airlines, ny kaompania. Vina apetraky ny orinasa ny hampifandray ireo Nosy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Henintsoa

Partager sur: