Fandraharahana : Varavarana manokatra ny tsena ny fenitry ny vokatra

Nifampidinika tamin’ny tomponandraikitry ny Banky iraisam-pirenena eto Mada­gasikara ireo mpikambana sasany ao amin’ny Governe­manta. Fifanakalozan-kevitra izay tafiditra ao anatin’ny dinika momba ny fandraharahana mifototra amin’ny fambolena. “Dingana lehibe amin’ny rojom-pihariana ny varotra”, hoy ny minisitry ny Varotra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana. Mila fantarina, hoy izy, ny filan’ny mpanjifa, ny tsena handefasana entana, ny tolotra omena ny mpanjifa eo anivon’ny tsena mba hananana rojom-pihariana ma­homby. Notsipihiny ihany koa fa tsy miandany amin’ny mpanafatra entana avy any ivelany ny minisitera. Omena fiarovana amin’ny alalan’ireo fepetra fanitsiana ara-barotra, ny mpamokatra eto an-toerana, indrindra manoloana ny fifaninanana amin’ny vokatra avy any ivelany.

Mitady tsena
Vaindohan-draharahan’ny minisitera ny mitady lalam-barotra vaovao ho an’ny vokatra malagasy. Tanjona ny ha­hafahan’ny vokatra mifaninana amin’ny tsena iraisam-pirenena, hamaly ny fenitra takina sy ny filan’ny tsena iraisam-pirenena.
Mangataka tohana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny minisitera hoenti-manatanteraka ny vinan’asa. Tafi­ditra ao anatin’izany ny fanofanana ireo mpamokatra, ny hametrahana fotodrafitrasa toy ny laboratoara, hahafahana manara-maso ny kalitao sy ny fenitry ny vokatra.

Henintsoa

Partager sur: