Azo atao ny mividy trano aloa tsikelikely any amin’ny banky, na dia tsy manana antoka aza ny mpanjifa. Tanteraka izany, vokatry ny fiaraha-miasan’ny banky Sipem, ny orinasa Maison & Tradition ary ny Solidis.
Vitsy ny Malagasy afaka mividy trano avy hatrany. Izay no nahatonga ny fifanarahana eo amin’ny banky Sipem Madagasikara, ny orinasa misehatra amin’ny fanorenana trano Maison & Tradition ary ny orinasa fiantohana ara-bola Solidis, natao sonia, omaly. Napetraky ny Sipem Banky ny tolotra Tranosoa, ka ny Solidis izay efa miara-miasa aminy, efa nanomboka ny taona 2021, no manome antoka handoavana tsikelikely ao anatin’ny 10 hatramin’ny 15 taona ny vidin’ny trano an’ny Maison & Tradition eny Manazara Ilafy. Trano vaovao efa vita (karazany F3), ahitana ampahany miisa 49, ka tany azo anorenana ny 14 ary trano efa vita ny 35.
Nilaza ny tale jeneralin’ny sipem Banky fa zava-dehibe tokoa ity fifanarahana ity, satria fanohanana ny Malagasy te hanana trano fonenana. Fiarovana ny famatsiam-bola amin’ny alalan’ny antoka ataon’ny Solidis. Satria lava ny fotoana, hatramin’ny 15 taona, hanonerana tsikelikely ny vidiny, ka mihena ny ambana toy ny fahafatesan’ny mpindram-bola, na sanatria may ny trano, sns.
Taotrano malagasy
Nasongadin’ny tale ara-barotry ny Maison & Tradition, Ramatoa Rakotolahy Michella, fa mampiavaka azy ireo ny taotrano malagasy, hitandroana ny soatoavina malagasy, nefa maoderina ny ao anaty trano. Mahaleo tena ny herinaratra, ampiasana angovo azo avy amin’ny masoandro ary ahitana lavadrano (forage). Nomarihiny koa fa azon’ny mpanjifa atao ny mividy trano telo indray miaraka, ka ipetrahana ny iray ary ampanofaina ny roa, hampidiram-bola.
Nanamafy ny Admnistratera jeneraly (AG) ny Solidis, Rakotoson Hagasata, fa tanjona ny ahafahan’ny Malagasy manana trano fonenana. Miara-miasa amin’ity tetikasa ity ny Solidis, satria, matetika mitaky antoka ny banky mahazatra raha lava ny fotoana hanonerana ny vola indramina, nefa tsy manana an’izay ny ankamaroan’ny Malagasy.
Njaka Andriantefiarinesy





