TSELATRA

Mpanendaka, nibaby sakaosy sy nanao satroka ba mainty, voasambotry ny fokonolona tetsy Andra­voahangy Ambony, omaly maraina. Avy nanendaka olona tao anaty taxi-be zotra E nanala olona teo amin’ny fiantsonana ity tovolahy ity. Niantso vonjy ilay lasibatra, nenjehin’ny fokonolona ilay olon-dratsy ka tratra. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy izy avy eo.
Tapaka hisatra tampoka tetsy Ankadilalana, afakomaly tokony ho tamin’ny 4 ora sy fahefany tolakandro, ny fiara mpitatitra, zotra 115. Niharan-doza ny fiara ka nifatratra tamin’ny tambohon’olona iray amin’ny sisin’arabe. Niantso vonjy sy nihorakoraka ireo mpandeha tao anatiny rehefa nahita ny fiara tsy nety nijanona. Vokany, olona dimy tao anaty fiara naratra. Anisan’izany ny mpanampy mpamily.
Lehilahy lehibe iray tompon’antoka tamin’ny fikasana haka an-keriny zazalahy 10 taona nalefa eny am-ponja, rehefa niakatra fampanoavana, afakomaly. Voarohirohy ho nangalatra zazalahy tao Tsimahavaobe, Morondava izy. Nentina sy nohadihadiana tao amin’ny kaomisaria foibe Morondava izy ary izao naiditra vonjimaika am-ponja izao.

Partager sur: