Hanomboka ny tetikasa : Hamokatra herinaratra 120 MW ny Tohodrano Volobe 2

Tontosa, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana (Protocole d’accord) amin’ny tetikasa Volobe Amont. Dingana lehibe hivoaran’ny tetikasa.

Nanatontosa ny fanaovan-tsonia ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo, Rabearimanga Radoni­rina Lucas, sy ny tale jeneraly ny CGHV, Rémy Huber. Na­natrika ny fotoana ihany koa ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Ran­drianirina Michaël. Dingana lehibe amin’ny fivoaran’ny tetikasa CGHV Volobe 2 ity natao ity, satria ahafahana manohy ny fanatanterahana azy. Zava-dehibe ao anatin’izany ny famitana ny fandaminana ara-bola, entina hanombohana ny fananganana ireo fotodrafitrasa voalohany. Mahe­rin’ny 120 MW ny herinaratra hovokarin’ny tohodrano vaovao hatsangana any Volobe. Hanampiana ny famatsiana herinaratra any Toamasina ny 60 MW, ary hampidirina amin’ny Tambajotra iraisan’Antana­narivo (RIA) ny 60 MW mahery, amin’ny alalan’ny tetikasa Prirtem 1.

Fiaraha-miasa amin’ny tsy miankina
Tsiahivina fa efa nanomboka tamin’ny taona 2016 ny tetikasa Volobe 2. Nisy ihany ny fanombohana madinika, toy ny fananganana birao hiasan’ny CGHV, ny fanamboaran-dalana mankany Volobe, ny asa sosialy ho an’ny mponina manodidina ny tohodrano, sns. Saingy, tsy nety tanteraka ny fanombohana ny tena asa goavana, noho ny antony samihafa, indrindra ny fananganana ny tohodrano hamokarana herinaratra. Sady niova rahateo ny mpitondra fanjakana, nikarohana ny marimaritra niraisana. Niravona izany, ankehitriny, ka vita tao anatin’ny enim-bolana ny dingana lehibe hahafahana miroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Endrika iray hanehoana ny fiara-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina ity vita sonia ity.
Anisan’ny vahaolana maharitra ho an’ny famatsiana herinaratra eto amintsika ny famokarana avy amin’ny tohodrano, ahazoana angovo madio sy azo havaozina, nefa mora vidy. Mamaly ny filàn’ny mponina, mampitombo ny fanitarana ny seha-pihariana ara-toekarena sy sosialy.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: