SPAT-SMATP : Fotodrafitrasa hikarakarana ny entana

Natao sonia omaly 30 septambra, ny fifanarahana eo amin’ny Orinasa sinoa-malagasy momba ny asa vaventy (SMATP) sy ny Orinasa mitantana ny seranan-tsambon’i Toamasina (Spat). Ao anatin’ny tetikasa Vovonana maromaro mahakasika fanorenana sy ny seranan-tsambo any Tsarakofafa Toamasina izy io. Nohazavain’ny tale jeneraly ny Spat, Randriambahoaka Heritiana Anicet, fa ny orinasa SMATP no nahazo ny tsenambarotra. Miompana amin’ny fanamboaran-dalana sy ny kojakoja samihafa, toy ny lalana atao « béton » manodidina ny 1 km, misy koa ny atao godirao, lakandrano sy tatatra mirefy 1,6 km, lalan’ny mpandeha an-tongotra (Axe1BC5g, ny Axe2 ary ny Axe3). Mirefy 8 metatra ny sakan’ny arabe. Asiana zava-maitso sy jiro manazava, atao ao anatin’ny 12 herinandro na telo volana. Hikarakarana ny entana miditra sy mivoaka ao amin’ny seranan-tsambo ity fotodrafitrasa any Tsarakofafa ity. Mbola hisy koa ny asa hafa nananganana fiantsonan’ny fiara, fiambenana, tetezana, sns.
Hanampy amin’ny asa fanitarana atao ny Fiaraha-miasa japoney Jica.

Njaka A.

Partager sur: