TSELATRA

Lehilahy iray 29 taona nahatrarana fonosana rongony miisa 15 tany Manolotrony, fokontany Saha­von­tsilana, kaominina ambanivohitra Sahasinaka, distri­kan’i Manakara, omaly. Nahitana rongony tokony ho 200 grama tao anaty selofanina mainty. Niaiky izy fa hamidiny 500 Ar ny fonosana iray. Nosamborin’ny zandary izy ary efa mia­trika fanadihadiana.
Nitrangana haintrano tao Ambongamarina, fokontany Ambodihasina, kaominina ambonivohitra sy distrika Amparafaravola, omaly tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Avy amin’ny doro tanety izay sahabo ho 40 ha no nahatonga ny afo ka niitatra tamin’ireo trano teo an-tanàna. Niezaka namono ny afo ny mponina sy ireo tomponandraikitra. Fianakaviana maro no traboina, may avokoa ny entana sy ny vola rehetra. Tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy.
Mpandeha 24 avotra nandritra ny faharendre­han’ny sambo Nely Longo I, tao amin’ny vavaranon’i Morondava, omaly tamin’ny 8 ora maraina. Niainga avy any Maintirano ity sambo ity ary nikasa hiditra ny seranan-tsambo Morondava. Tafiditry ny rano ary rendrika izany. Niezaka nanavo-tena ireo mpandeha miisa 19 sy ny mpiasa tao anatin’ny sambo iray miisa dimy. Zazalahy 6 taona no zandriny indrindra ary 69 taona no lehibe indrindra.
Renim-pianakaviana iray no naratra voatifitry ny olon-dratsy tao Andranomanelatra, afakomaly alina hifoha omaly maraina. Nanohitra ireo olon-dratsy ilay ramatoa ka voatifitra teo amin’ny tanany. Efa manaraka fitsaboana any amin’ny hopitaly moa ny tenany. Ankotra izay, notafihin’ny jiolahy ny tokantrano miisa roa sy fivarotana miisa 3 tamin’ ny fokontany roa Ambohibary kely-Fiadanana sy Ambohi­marina-Fandriandrano.

Partager sur: