Antenimerampirenena: Fampitaovana ny niomerika

“Tablettes” miisa 169, solosaina 20 ary “Kit Starlink”, ireo no natolotry ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT) ho an’ny Antenimierampirenena, ny alarobia teo. Fampitaovana niomerika hanohanana ny asan’ity andrimpanjakana ity, hanamafisana ihany koa ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Tanjona ny hampihena ny fampiasana taratasy sy ny fotoana lany hanaovana dika mitovy ireo antotan-taratasy ampiasaina manditra ny fivoriana. “Hanamora ny fandinihina ireo volavolan-dalàna na tolo-dalàna ety amin’ny andrimpanjakana ireto fitaovana ireto satria mahatratra 350 ny fanaovana dika mitovy amin’ny teny malagasy ireo antotan-taratasy izay tsy maintsy avoaka an-taratasy », hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. Nilaza kosa ny minisitra Andriamampiadana Mahefa fa “fanohizana ny fampitaovana ireo andrimpanjakana samihafa sy fanohanana ny fanavaozana niomerika ny fampitaovana natao”. Notsipihiny tamin’izay fa dingana iray amin’ny fampiroboroboana ny teknolojia niomerika ny tetikasa.

Henintsoa

Partager sur: