Nankatoavin’ny filankevi-pitantanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, ny 30 septambra teo, ny famatsiam-bola mitentina 155 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara. Ao anatin’ny fifanarahana amin’ny Fec sy ny FRD io vola io, hampiasaina amin’ny sehatra marolafy.
Voakasik’ity famatsiam-bola ity ireo fandaharanasa andiany fahatelo sy fahefatra amin’ny Fampindramam-bola nohamoraina sy nitarina (Fec) sy ny Fanamorana ny fiatrehana maharitra ny fiovan’ny toetr’andro (FRD). Hiditra ao anatin’ny kitapombolam-panjakana avy hatrany ny 155 tapitrisa dolara, ka ao anatin’ny Fec ny 100 tapitrisa dolara ary amin’ny FRD ny 55 tapitrisa dolara. Entina hampifandanjana ny tetibolam-panjakana, hanohizana ny fanarenana sy ny fandaniam-bola laharam-pahamehana. Fifanarahana nanomboka ny 36 volana ity tanterahina ity, nanomboka ny jona 2024.
Naharitra amam-bolana maro ny nikarakarana ny fifampiraharahana, notarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanambola, ny Dr. Ramiarison Herinjatovo Aimé, notronin’ireo teknisianina mpiara-miasa aminy, isan-tsokajiny. Anisan’ny nojerena manokana ny mahakasika ny Jirama, ny politikan’ny angovo, ny vidin-tsolika, ny fitantanana ny volam-panjakana, ny fiarovana ara-tsosialy ary ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy ny hampifandrifiana ny fanarenana hatao, hanohizana ny fandaharanasa hatao.
Niakatra ho 3,6% ny fitomboan-karena
Tsapa sy fantatry ny FMI izany ezaka rehetra izany, ary nahafa-po azy ireo amin’ny ankapobeny ny vokatra azo, niafara tamin’izao fankatoavana izao. Singanina amin’izany, na misedra tontolo ankapobeny sarotra aza i Madagasikara, niakatra ho 3,6% ny fitomboan-karena raha 3,1% tamin’ny 2025. Vinavinaina haverina amin’ny laoniny ny fampiharana ny tena vidin-tsolika amin’ny janoary 2027.
Anisan’ny paikady vaovao, hampiharina koa ny « Tetibola maitso » sy ny Paikadim-pirenena famatsiambola hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Eo koa, ny drafitrasam-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly.
Njaka Andriantefiarinesy





