Tsena eoropeanina : Miomana amin’ny fepetra takina ny PME sy PMI

Nitombo ny vokatra malagasy miditra eo amin’ny tsena eoropeanina. Tombony ho an’i Madagasikara ny tsy fandoavan-ketra, tsy voafetra ihany koa ny vokatra miditra any an-toerana.

Natao ny alarobia teo, teto Antananarivo, ny atrikasa momba ny Fifanarahana ara-toekarena “Accord de partenariat économique ” (APE), hanomanana ireo orinasa madinika sy salantsalany (PME-PMI) amin’ireo fepetra takin’io tsena io, niarahana tamin’ny Vondrona Eoropeanina (UE) sy ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. “Mahatratra 34% ny vokatra aondran’i Madaga­sikara any amin’ny tsena eoropeanina”, hoy ny masoivohon’i UE, Roland Kobia. Tombony ho an’ny orinasa malagasy ny fahafahany mampidi-bokatra any Eoropa tsy mandoa haba, sady tsy voafetra ny habetsaky ny entana aondrana. Manodidina ny 300 tapitrisa dolara ny sandan’ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny roa tonta, raha maherin’ny 400 tapitrisa ny mpanjifa an-toerana. “Maro ireo soa fananaraotra azontsika haondrana eo amin’ny tsena eoropeanina. Noho izany, zava-dehibe ny hahafantaran’ny PME-PMI ny tombontsoa azo avy amin’ny fifanarahana ara-toekarena” , hoy ny filohan’ny CCIA, Ra­zafintsalama Gil.

Fepetra
Voakasika manokana ny sehatry ny lohamenaka sy ny niomerika. Nisolo tena ireo mpisehatra amin’ny lohamenaka ny Vondron’ny mpanondrana lohamenaka et Mada­gasikara (Gehem). Takina amin’ izy ireo ny hananany vokatra manara-penitra sy ara-kalitao ary manaja ny tontolo iainana. Nisolo tena ny mpisehatra ny niomerika kosa ny Vondron’ny mpandraharaha misehatra amin’ny teknolojia, ny ita ary ny serasera (Goticom). Tafiditra anatin’ny fepetra takina ny fampivadiana ireo traikefa sy fahaiza-manao amin’ny fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA). Natomboka nandritra ny atrikasa ny fandaharanasa “PME-PMI Export Ready-UE”, karakarain’ny CCIA. Hanampy ireo orinasa hamantatra ny tsena eoropeanina, hanaraka ny fenitra takina izany. Hisitraka mari-pankasitrahana sy fifandraisana mivantana amin’ireo mpiara-miombon’antoka any Eoropa ihany koa ireo mpandraharaha.

Henintsoa

Partager sur: