Hividy Boeing 737-700 ho an’ny Madagascar Airlines ny fanjakana, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny talata teo. Hanamafy ny fahafahan’ny kaompania manatanteraka fitaterana ana habakaba anatiny sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny tetikasa. Ity farany izay tafiditra anatin’ny fanarenana ny orinasa. Marihina fa miisa dimy ny ATR 72 ampiasain’ny kaompania, izay manao ny sidina anatiny, amin’izao fotoana.
Hisy ny fikarohana hahazoana ny solika maitso eto amintsika. Fiaraha-miasan’ny Malagasy teknisianina sy ny Fikambanana momba ny fitaterana ana habakabaka iraisam-pirenena (OACI) izy io. Haharitra 8-9 volana ny fikarohana sy fandinihana. Hatolotra amin’ny jona 2027 ny voka-pikarohana. Maro ny akora fototra efa voatily eto Madagasikara. Tanjona ny hampihenana 5% ny entona mandoto tontolo iainana amin’ny taona 2030.
Mandeha ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena RN7 any Ihorombe. Voakasik’izany ny lalana mirefy 17 km, eo amin’ny PK 604 hatramin’ny PK 621. Avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR) ny vola hanatanterahana ny asa. Etsy ankilany, efa manomboka ihany koa ny fikojakojana ny lalana eo anelanelan’ Antsirabe sy Ambositra.





