Fanafaram-bary : Hametraka fiarovana ny famokarana ny ANMCC

Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Fahefam-pirenena misahana ny fepetra fanitsiana ara-barotra na “Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales” (ANMCC) momba ny fiakaran’ny fanafarana vary eto Ma­da­gasikara. Tanjona ny ha­mantatra ny fiantraikan’izany amin’ny sehatry ny famokarana, ny tsena, ary ny famatsiana eto an-toerana. Ny taona 2025, nahatratra 800 812 taonina (t) ny vary nafaran’i Madagasikara raha toa ka 262 002 t izany ny taona 2024. Izany hoe, nitombo hatrany amin’ny 205,7% izany tao anatin’ny herintaona. Niso­katra nanomboka ny 31 aogositra teo ny fanadihadiana natao. Tao anatin’izay, nihaona tamin’ireo mpisehatra samihafa eo amin’io lalam-pihariana io eto amin’ny faritra Anala­manga, Bongolava, Alaotra-Mangoro ary Menabe ny ekipan’ny ANMCC. Hitohy any Boeny sy Sofia ny angon-kevitra mialoha ny hanohizana izany any amin’ireo faritra hafa mpamoka-bary. Anki­lany, ni­voitra tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny Instat fa na­tao sakafo avokoa ny 60,3% ny voka-barin’ireo mpamboly eto amintsika raha toa ka 33,7% monja no namidy. Nasongadina fa mampidi-bola hatrany amin’ny 57,1% ny tokantrano kosa ny voly vary. Manoloana ny zava-nisy, nitondra vahaolana sy nividy ireo vary akotry an’ireo mpamboly amina faritra samihafa ny State Procurement of Mada­gascar (SPM). Hamaritra ny mety hametrahana fepetra fiarovana ara-barotra ny vokatra eto an-toerana kosa ny fanadihadiana sy ny angon-kevitra hataon’ny ANMCC.

Henintsoa

Partager sur: