Fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa : « Zava-dehibe ny soro-doza », hoy ny ESIA

Nikarakara dinidinika arahina adihevitra mahakasika ny fahasalamana sy ny soro-doza amin’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa ny Ivontoerana misahana ny fahasalaman’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, Espace sanitaire interentreprise d’Antananarivo (ESIA), ny faran’ny herinandro teo, teny Antsahabe. Andrai­kitra voalohany ho an’ny ESIA izany ary tsy mijanona ho dinika fotsiny fa hisy fehin-kevitra raisina hitondrana fanatsarana satria zava-dehibe ho an’ny fampandrosoana ny fahasalaman’ny mpiasa. Nan­dray anjara koa ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Asa, ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana (OMS) sy ny mpitantana orinasa miaraka amin’ny mpisehatra eny ifotony. Tanjona ny hifanakalo hevitra momba ny voina mety hitranga mahazo ny mpiasa sy ny vahaolana fisorohana mifandraika amin’izay. Zava-dehibe ny fampifanarahana ny asa amin’ny olona (mpiasa) hampandroso ny orinasa misy azy ka voasahana ao avokoa ny fahasalaman’ny vatana sy ny saina.
Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-20 taona nijoroan’ny ESIA amin’ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpiasa ny hetsika, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny ESIA, Randriamananandro Hervé. Tsy miandraikitra fotsiny ny fitsaboana misy kalitao ny ivontoerana fa misahana ny fisorohana ihany koa. Voafaritry ny lalàna rahateo fa manana adidy hikarakara ny fahasalaman’ny mpiasa rehetra ao aminy ny orinasa ka manampy azy ny ESIA momba izay. Manana safidy ny orinasa amin’ny ivontoerana hisahana izany.

Vonjy

Partager sur: