Fiompiana : Hirosoana ny drafi-panatanterahana

Natao ny zoma 2 oktobra teo, teto Antananarivo, ny atrikasa miompana amin’ny fiompiana. Nentina nanamafisana ny fiaraha-miombon’antoka maharitra momba ny fanodinam-bokatry ny fiompiana sy ny rafitra ara-tsakafo eto Madaga­sikara izany. Nambaran’ny Sekretera jeneraly (SG) ny minisitera, Ralaisabotsy Jary Antonio, fa natao ity fotoana ity ifanakalozan-kevitra teo amin’ny minisitera sy ireo mpiara-miombon’antoka mpikaroka eto an-toerana sy avy any ivelany. Efa vita ny drafitrasa mandrindra (Plan Directeur) ka niaraha-nidinika ny paikady hoentina manatanteraka azy. Izany hoe, ny hamadihana io drafitrasa io ho fandaharanasa sy tetikasa.
Tafiditra ao anatin’izany koa ny lafiny fahasalaman’ny biby fiompy. Mila ezaka lehibe ny hanatsarana azy, ka handrafetana drafi-pampandrosoana manokana. Satria, tsy ho sarotra ho an’ny tantsaha mpiompy ny manatona ireo dokotera mpitsabo biby, sady ho mora kokoa ny vidin’ny fanafody. Efa misy rahateo ireo mpiandraikitra ara-pahasalamana nahavita fiofanana, ho mpanelanelana eo amin’ny fanjakana sy ny mpiompy. Anisan’ny tena andraisana paikady manokana ny fisian’ireny valanaretina avy any ivelany, mpahazo ny biby, ireny.

Njaka A.

Partager sur: