TSELATRA

Trano hazo miisa telo niara-nirehitra tetsy amin’ny fokontany Andranomahery, boriborintany fahatelo, omaly tolakandro. May kilan’ny afo avokoa ireo entana rehetra. Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny firehetana fa efa misokatra ny fanadihadiana. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny lefitra faharoan’ny délégué au Maire, niaraka tamin’ny sefo fokontany Andranomahery sy ny Polisy avy ao amin’ny PPA2 Ankorondrano.
Lehilahy iray nitondra moto niharan-doza tetsy Imerinkasinina, omaly tolakandro. Naratra mafy noho ny dona mafy nahazo izy. Nahitana ratra sy ra ny faritry ny tarehiny sy ny orony. Ankoatra izay, fiara sprinter mampitohy an’i Toamasina sy Ambositra no niharan-doza ny sabotsy teo. Niala kamiao vaventy iray nifanena taminy ny mpamily ka nivadika ny fiara. Vokany, mpandeha iray namoy ny ainy.
Trano miisa 70 may levon’ny afo tany Tsara­honenana Betrandraka, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. Fandoroana niniana nataon’olona iray no nahatonga izany. Niitatra tamin’ny trano rehetra izany na dia niezaka namono ny afo aza ny fokonolona. 278 no isan’ireo traboina. Tsy nisy naratra sy ny aina nafoy tamin’izany. Efa nisy ihany koa ny tolo-tanana avy amin’ireo mpitondra ao an-toerana
Notafihin’ny dahalo miisa 40 mirongo fitaovam-piadiana ny tokantrano sy toeram-pivarotana iray tany Mitsinjo, disitrikan’i Toliara II,afakomaly tamin’ny 12 ora alina. Voaroba ny vola rehetra, ny firavaka volamena, ny finday ary ny entana rehetra tao amin’ny trano lasibatra. Tanora telo nifanandrina tamin’ireo jiolahy no voatifitra ka naratra mafy. Voan’ny famaky ny iray hafa.

Partager sur: