Mbola misy ireo minia mitrandraka volamena any Betsiboka. Tsikaritry ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany, izay nidina ifotony, fa misy ireo manana fahazoan-dalana ara-dalàna, saingy tsy mahafeno fepetra. Satria, tsy manao tetikasa ara-tsosialy (RSE), tsy mandoa tamberim-bidy sy haba (DTSPM) ary tsy manana bokibe fanambarana ny vokatra azo. Natsahatra amin’ny asany aloha izy ireo mandra-pahafenony ny fepetra takin’ny lalàna.
Migadra 10 sy 5 taona ireo tompon’antoka tamin’ny fitrandrahana sokatra radiata miisa 167, tany Toliara. Tamin’ny volana marsa 2026 no nahatrarana ireo lehilahy roa. Miampy fandoavana lamandy 100 tapitrisa Ar tsirairay avy izany. Afaka noho ny fisalasalana kosa ny olona fahatelo, voalaza fa mpandika teny.
Voatendry ho filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny orinasa Madarail, Raharimanana Patrick. Maro ny asa miandry azy sy ny fanamby tsy maintsy hatao satria misedra olana tokoa ity orinasa ity, ankehitriny. Anisan’ny asa lehibe hatao ny hanarenana ny zotra an-dalamby Antananarivo mankany Toamasina (TCE) sy ny hamerenana ny zotra Antananarivo-Antsirabe (T-A). Mizaka trosa miavosa ihany koa ity orinasa ity, amin’izao fotoana izao.





