Mivoatra hatrany ny sehatry ny fifandraisan-davitra ao amin’ny Orange Madagascar. Tolotra vaovao miisa telo indray no omen’ny orinasa nanomboka ny 1 oktobra teo hanohanana sy hamaliana ny filan’ny mpanjifa. Anisan’ireo sokajy ireo ny tolotra «Allo», ny «Akama +» ary ny «Mix Kopoze». Foana tanteraka ny fisokajiana ny internet amin’ny alina sy ny atoandro ho an’ny tolotra Akama +. Misy ny tolotra internet 1 Go amin’ny sarany 1 000 Ar izay maharitra 24 ora. 3 Go kosa ho an’ny 5 000 Ar, mandritra ny 7 andro. Tafakatra 20 Go izany ho an’ny sarany 30 000 Ar sy azo ampiasaina mandritra ny 30 andro.
Manolotra antso manomboka amin’ny 15, 90 hatramin’ny 600 minitra kosa ny tolotra «Allo». Sarany manomboka amin’ny 1 000 Ar ka hatramin’ny 30 000 Ar azo hiantsoana ny tambajotra rehetra. Maharitra 24 ora ka hatramin’ny 30 andro kosa ireo tolotra ireo, izay natao hifanaraka amin’ny tetibolan’ny mpanjifa.
Manambatra ireo tolotra telo misy ny antso, SMS, internet mobile kosa ny «Mix Kopoze». Tolotra ahafaha-misitraka antso manomboka amin’ny 10 minitra, mandefa SMS 50 ary 409 Mo internet amin’ny sarany 1 000 Ar. Ahazoana antso 60 minitra, SMS 250 ary data 2,5 Go kosa ny tolotra iray hafa. Tafakatra 420 minitra, SMS 1 000 ary 15 Go internet kosa ny tolotra 30 000 Ar. Afaka misitraka izany mivantana ny mpanjifa amin’ny alalan’ny Max it, ny application Orange Money ary amin’ny 123.orange.mg. Azo atao ihany koa ny miantso ny #144#, #123#, #321#.
Henintsoa





