Niakatra 200 Ar ny litatry ny solika fandrehitra, nanomboka ny 5 oktobra teo. Lasa 3 910 Ar izany raha toa ka 3 710 Ar tamin’ny septambra. Tsy niova, nijanona ho 5 300 Ar ny vidin’ny lasantsy (SP 95) sy ny gazoala (Go), 4 860 Ar ny litatra. “Tokony ho voatazona hatramin’ny volana desambra ny vidin’ny lasantsy sy ny gazoala”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, nandritra ny fandaharana nataony tao amin’ny fahitalavi-pirenena, ny alahady teo. Tsy azo ihodivirana ny fidangan’ny vidim-piainana raha toa ka miakatra ny vidin-tsolika. Mety hisy kosa ny fiovana manomboka ny volana janoary 2027. Anisan’ny tolo-kevitry ny FMI ny hanohizana ny rafitra fanitsiana ny vidin-tsolika manomboka ny taona 2027. Marihina fa nohavaozina koa ny fanafarana solika ho an’i Madagasikara manomboka ny 1 janoary 2027 ka hatramin’ny 30 jona 2027. Tapitra amin’ny volana desambra 2026 ny fifanarahana, ankehitriny, taorian’ny fanitarana azy ho iray volana.
Vahaolana noraisain’ny fanjakana koa ny fanafarana solika any Nizeria, hialana amin’ny ady any Moyen-Orient. Vina apetraka ihany koa ny hampihena ny fampiasana solika ho an’ny Jirama ka hampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina.
Henintsoa





