Feno 125 taona tsy ho ela ny Akademia Malagasy. Izy no Akademia zokiny indrindra aty Afrika. Toy ny Akademiam-pirenena maneran-tany, « société savante » (scholarly/learned society) ny Akademia Malagasy, izay sehatra anolorana voka-pikarohana mahakasika ny tontolo sy ny lafim-piainana samihafa. Tokana ny Akademia Malagasy eto Madagasikara ary manana komity Akademikam-paritra izy. Mahaleo tena ny Akademiam-pirenena misahana ny haikanto, hailaza ary hairaha, fantatra amin’ny hoe « Akademia Malagasy », ary tsy misy ifandraisany amina antoko politika, na fikambanana, na vondron’olona. Mpikambana mpanorina ny Nasac (Tambazotran’ny Akademia misahana ny hairaha/siansa eto Afrika) ny Akademia Malagasy.
Sehatra bagasy oktobra : Zarasehatra miaraka amin’ny tarika Solika. Sabotsy 10 oktobra manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsahavola. Hihainoana sy hankafizana ny tarika Solika hikalo mandritra ny adiny iray ireo hira teatraly tranainy noforonin’ireo andrarezin’ny bagasy toa an’i Justin Rajoro, Naka Rabemanantsoa, Andrianary Ratianarivo, Therack… Tarika Solika hampiaina ny tolakandro amin’ny angolam-pitiavana, ny tontolom-piarahamonina sy fianakaviana, ny firenena, ny zavaboahary. Aorian’ny fampisehoana, misy hatrany ny sehatra malalaka.





