Mizotra araka ny tokony ho izy ny lafiny toekarena ankapobeny. Hirosoana koa ny fampahafantarana ho an’ny rehetra ny fitantanana ny volam-panjakana mba hisian’ny mangarahara.
Anisan’ny nitondran’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, fanazavana tao amin’ny fahitalavi-pirenena, ny alahady teo, ny mahakasika ny toekarena eto amintsika. Nambarany fa mizotra araka ny tokony
ho izy ny toekarena ankapobeny, ary mihoatra noho ny novinavinaina aza. Tafakatra 4,2% ny fitomboan-karena tato anatin’ny enim-bolana voalohany, amin’ity taona ity, raha 3,6% ny tombana nomen’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Tsiahivina fa nahatratra 3% ny fitomboan-karena teto Madagasikara,
ny taona 2025, raha ny antontanisan’ny Banky iraisam-pirenena.
Ankoatra izany, nohazavain’ny Praiminisitra ihany koa fa marindrano ny sandam-bola Ariary amin’ny ankapobeny. Miroborobo ihany koa ny fampiasam-bola sy ny
findramam-bola eny amin’
ny banky. Anisan’ny nahatonga izany ny nanafoanana ny tataon-ketra TVA 20%, nalaina tamin’ny zanabola. Natsidiny koa fa azo antoka ny tahiry vola vahiny ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Mifandanja amin’ny vola ilaina amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mandritra ny 7 volana ny tahiry ao aminy.
Fitantanana mangarahara
Hifantohan’ny governemanta ihany koa ny hanamafisana ny mangaraharaha, amin’izao fotoana izao. Natao ny 6 oktobra teo ny fizarana ny vokatry ny fanadihadiana momba ny tetibola misokatra 2025. Ao anatin’izany ny handraisan’ny olom-pirenena rehetra anjara amin’ny fahalalana bebe kokoa ny tetibolam-panjakana, mifanaraka amin’ ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho an’ny Fanavaozana (PGE-R). Ary koa, ahafahana manara-maso ny fitantanana ny volam-panjakana. Anisan’ny mandray anjara amin’izany
ny olom-pirenena tsotra, ny fiarahamonim-pirenena (OSC) ary ny vondrombahoakam-paritra.
Tanjona ny hahazoana antoka fa ampiasaina araka ny tokony ho izy ny volam-bahoaka, mba hitondra vokatra mivaingana ho an’ny vahoaka.
Njaka Andriantefiarinesy





