Hiavaka ny andro anio ho an’ny fandaharam-potoan’ny Madajazzcar 2026. Hetsika efatra avy hatrany no indray hotanterahina. Atrikasa miaraka amin’ny tarika Muthaiga Three, ao amin’ny CGM Tohatohabaton’Antaninarenina, manomboka amin’ny 10 ora sy sasany. Amin’ny 1 ora sy sasany, ao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha « Jazz mobile ». Ny « Jazz à l’Université » sy ny famaranana ny Tremplin Madagascar (Antananarivo), tanterahina ao amin’ ny La teinturerie Ampasanimalo, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Amin’ny 7 ora sy sasany alina kosa ny « Concert » miaraka amin’i Zara Rajaona et Friendes sy Ibiyewa, ao amin’ny Hôtel de l’Avenue Analakely.
Raha tsiahivina, anisan’ny hetsika kolontsaina sy zavakanto iraisam-pirenena mahasarika sy mamoha talenta maro ny « Madajazzcar ». Na, heverina fa nampidirina avy any ivelany aza ny « jazz », tsy azo lavina fa iray amin’ireo zavakanto manakaiky ny Malagasy izy io. Tranga nahatonga ireo mpikaroka momba ny hira sy ny zavamaneno hiteny fa: « manana faka sy fototra eto Madagasikara ny jazz ».
HaRy Razafindrakoto





