« Talent Growth Lab » : Tosika ho an’ireo manan-talenta ara-javakanto

Ahoana ny hamadihana ny talenta ho loharanom-bola? Ny valin’izay no nampidirin’ ny JCI Iarivo anatin’ny fandaharanasan’ny tetikasa iray, hanaraka ireo tanora manan-talenta mandra-pahitany ny lalana hombana.

Hiditra amin’ny andiany faharoa ny fandaharanasa “Accelerator for Creative Talent” na ACT 2026, ho an’ny Jeune chambre internationale Iarivo. Ao anatin’ izay no nampahafantaran’izy ireo ny tetikasa “Talent Growht Lab” na TGL tetsy amin’ny range Digital Center, omaly. Araka ny anarany, natao ho tosika ho an’ireo tanora manan-talenta amin’ny famoronana manodidina ny kanto ity teti­kasa ity. Fanohanana manomboka any amin’ny famolavo­lana ny hevitra ho tetikasa, ny tetikasa ho asa ary ny asa hanjary vola no tanjona amin’ izany.
“Misokatra ho an’ireo ta­nora manan-talenta aloha, manana tetikasa noforonina manodidina ny seha-kanto rehetra izany. Mazava ny tanjona: hanelanelana sy hanamora ny fivadihan’izay teti­kasa izay hifanaraka amin’ny tolotra sy tinady”, hoy ny fanazavan’ny talen’ny tetikasa ACT 2026 eo anivon’ny JCI Iarivo, Razakamahefa Mathieu.
Tanora eo anelanelan’ny 18 hatramin’ny 25 taona no entanina handray anjara. Raha tsy ampy taona kosa, mila alalana avy amin’ny ray aman-dreny. Ny dihy, mozika, seho an-tsehatra sy izay mety ho talenta ara-javakanto rehetra dia mety avokoa, rehefa mi­fototra amin’ny famoronana.
Satria maka endrika fifaninanana izy ity, hisy ny fifantenana voalohany ireo tetikasa, ny 10 oktobra izao, eny amin’ ny Tranomboky monisipaly Analakely. Ny 17 oktobra kosa ny “prime” na ny dingana fifanintsanana eny amin’ny Orange Digital Center Soa­rano. Hotontosaina ny 24 ok­tobra ny famaranana, ary ny 31 oktobra kosa ny tena lanonambe eny amin’ny Pizza Factory Ambohibao. Amin’io fotoana io no hampihaonana ireo mpisehatra rehetra, ma­nomboka amin’ireo tanora manan-talenta na nifaninana na tsia, ireo orinasa mpano­hana sy mety ho mampiasa fa indrindra ireo voakasiky ny tsena mifandraika amin’ny tetikasa. Tsiahivina fa fiara­ha-miasan’ny JCI Iarivo sy ny Orange Madagascar ny « Talent Growth Lab ».

Zo ny Aina

Partager sur: