TSELATRA

Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampitatafika, ny alatsinainy 5 oktobra teo, i Babampa. Jiolahy ikoizana amin’ny asa fanendahana sy harom-paosy. Tratra tao amin’ny tranon’ny sipany teny an-toerana izy. Efa nahazoana fitoriana miisa dimy io olona io. Niaiky izy fa efa asa fanaony ny fanendahana sy midarok’olona. Misy namany miara-miasa aminy ary mbola karohina amin’izao.
Lehilahy iray manodidina ny 50 taona hita faty tetsy Ankadivoribe Avaratra, kaominina Talata Volonondry, omaly atoandro tamin’ny 11 ora. Tsy nisy taratasy hamantarana ny momba azy teny aminy. Tsy nisy nahafantatra azy koa ny mponina. Efa naterina eny amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha ny razana.

Partager sur: