Tsy maintsy hamafisina

 

Mandeha miandalana ny fanavaozana. Maromaro ny ezaka efa vita. Maro ny ranty mampiseho fa tena miasa ny mpitondra. Anisan’ny misongadina ny tontolon’ny fampianarana amin’ny ankapobeny. Mahazo doka ihany koa ny fifehezana sy ny fanatsarana ny fiatrehana ny andavanandron’ny mponina na ny sosialim-bahoaka. Tsy latsa-danja ny mahakasika ny tontolon’ny asam-panjakana. Raha fehezina, milaza azy ho afa-miaina araka ny tokony ho izy avokoa ny ankamaroan’ny mponina.
Indrokelin’ny mpandrafitra ny tsy fandriampahale­mana. Somary nafampana izy tato ho ato. Maro ny antony mahatonga izany. Misy ny ezaka amin’ny fampitaovana sy ny fanampiana olona hisahana ny andraikitra. Mirongatra sy mitombo tahaka izany koa ny mpanao ratsy. Mana­raraotra ny fiovana. Tsy ferana ihany koa ny fanakorontanana ny fitondrana noho ny kajy samihafa.
Mazava be, tsy misy mipetrapetraka izany, indrindra ny manana tombony voantohintohina.
Efa izay rahateo ny fanaovana politika eto amin’ny tanàna. Izaho aloha vao ianao, na isika. Fady ho an’ny sasany ny handefitra sy hampirina ny hambom-po mandra-pahatongan’ny anjara toerany indray. Ifandimbiasana anefa ny fahefana! Tsy tokony hisy ny hanelingelina izay mba nomen’ny vintana ny anjarany.
Ny andrasana, samy mamita ny anjarany ho an’ny vahoaka sy ny tanindrazana. Miezaka ny manilika ny manandrify azy hivadika ho asa sy vokatra. Anatin’ny firaisankina sy ny fifanohanana tanteraka no hanaovana izany. Efa nampirimin’ny filohan’ny Fanavaozana tanteraka ny “fizarazarana” sy ny fifanilihana. Nomeny lanja ny maha Malagasy iray tsy vakian’ny loko politika fa ampiraisin’i Madagasikara.

r.r

Partager sur: