VAOVAO TAMBATRA

Mitentina 22 tapitrisa Ar ireo entana lany daty nodorana tao Bekitrobaka-Antsohihy. Nahitana paty milanja 2 taonina, bisky, fromazy, ranom-boankazo, vatomamy sy maro samihafa izany. Nopotehina ihany koa ireo rano fisotro lany daty tamina tavoahangy miisa 4 016 tao Nosy Be. “Silicones” sy loko lany daty tamina mpivarotra tetsy Ambohipo no nogiazana taorian’ny fi­tsirihana nataon’ireo tomponandraikitra, talen’ny varotra sy ny fanjifana.

Tanjon’ny fandaharanasa nasionaly momba ny fanisana sy fametrahana amin’ny rafitra niomerika ireo orinasa kaoperativa (PNRDC) ny hanisana orinasa kaoperativa miisa 50 ao amin’ny faritra Boeny mandritra ity herinandro ity. Manodina sy manome sanda ny vokatra eny ifotony sy ireo akora ireo mpandraharaha ary mandray anjara feno amin’ny fampandrosoana ny harinkarena.

Tombananana ho 2 500 taonina ny lavanila haondrantsika mandritra ny taom-pamokarana 2026. Ambany noho ireo vokatra milanja 5 080 taonina naondran’i Madagasikara hatramin’ny faran’ny volana aogositra teo izany. Mahatratra 1 000 t kosa ny tahiry tamin’ ny taom-pamokarana teo aloha ka hahafahantsika mivarotra vokatra 3 500 t eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Partager sur: