Tanjon’ny Fikambanan’ny vondrona misehatra amin’ny fahasalaman’ny saina sy manohana ara-tsaina sy ara-
tsosialy ny hanorina fahasalamana ara-tsaina miabo sy matanjaka ho an’ny vahoaka.
Manomboka anio ary haharitra roa andro ny hetsika ataon’ny mpikambana ao amin’ny Vovonan’ny mpisehatra ho an’ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. Ho fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahasalaman’ny saina izany. Lohahevitry ny Federasiona maneran-tany ho an’ny fahasalaman’ny saina ny « Henoina ny zavatra niainana, feo tena izy, fanovana tena izy » ho an’ny olona miaina fikorontanan-tsaina.
“Sokajiana ho olona marary saina ny olona misy fikorontanan-tsaina ka tsy mahalala ny tokony hatao. Voajanahary ny rarintsaina (tebiteby sy fitaintainan-dava) izay miseho rehefa misy zavatra sedraina ny olona amin’ny andavanandrom-piainany. Rehefa voasedra dia mahavita miatrika izany ny olona. Lasa aretina ilay rarintsaina rehefa mitohy lavareny nefa tsy misy zavatra sedraina ilay olona. Mivadika ho fahaketrahana ara-tsaina (dépression) mety miafara amin’ny famonoan-tena izany rehefa tsy misy fandraisana an-tanana avy amin’ny mpitsabo ny fahasalaman’ny saina”, hoy ny neuropsychiatre, filohan’ny Vovonan’ny mpisehatra amin’ ny fahasalamana ara-tsaina sy ny fanohanana ara-tsaina sy ara-tsosialy eto Madagasikara, profesora Adeline Raharivelo.
“Raha vao mahatsapa fitebitebena nefa tsy misy antony mazava, mila manatona mpitsabo saina ny olona”, hoy ny profesora. Mety ho tratran’izay daholo ny olona rehefa tsy matanjaka ny sainy (manana personnalité).
Tsy ampy ny mpitsabo manokana
Mandritra ireo roa andro ireo, maimaimpoana ny fitsirihana, fanentanana, fanoroana lalana miaraka amin’ny manampahaizana (Ordre des psychologues, Société malgache de la psychiatrie ary mpisehatra sosialy). Entanina ireo rehetra mahatsapa fa manana olan’ny fahasalaman’ny saina hanatona eny Mahamasina.
Manatona mpitsabo saina ny 32% ny olona manana olana ara-tsaina raha any amin’ny sehatry ny fivavahana ny 42%. Tsy mbola ampy rahateo ny mpitsabo satria 11 ny psychiatre (am-perinasa), 63 ny psychologue ary amin’ ny renivohi-paritany no miasa ny ankamaroany.
Vonjy





