Nanao tombana ny voka-panadinana tamin’ny taom-pianarana farany teo ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Tamin’izany koa no nanaovana ny vina hoentina manatsara hatrany ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana.
Nisy fiovana ny tahan’ny fahafaham-panadinana farany teo, satria raha 84,28% izany ho an’ny CEPE ny taona 2025, lasa ho 80,67% ny taona 2026. Ho an’ny BEPC 2025 kosa, 59,02% raha niakatra ho 61,85% izany tamin’ity taona 2026 ity.
Raha ny fanazavana nentin’ny tale misahana ny fanadinam-panjakana sy ny fanamarinam-pahaizana, i Nivojoelina Bazolimanjato, nisy ny fandraisana fepetra marolafy nampahomby ny fanatanterahana ny fanadinana toy ny fitandroana sy fiarovana ny laza adina sy ny fampiharana ny lalàna manoloana ny hosoka sy ny fisolokiana nisy ary ny ady tamin’ny kolikoly.
Nisy ny lesoka hita, toy ny tsy fahatongavan’ny fitaovana mialoha ka niteraka fahataran’ny fanontana taratasim-panadinana.
Sosokevitra hanatsarana ny hiatrehana indray ny fanadinam-panjakana 2026-2027 ny hanafainganana ny fikarakarana ny fitaovana (volana febroary farafahatarany), ny famolavolana sy ny fikarakarana ny fanadinana miainga any amin’ ny minisitera foibe ary ny fitaterana ny laza adina amin’ny “fourgon” arahina fiara manokana misy mpitandro filaminana.
Tatiana A





